ActualitésTatitra

Etats-Unis : 16 taona lasa no nanasarahana an’i Kendra sy Maliyah Herrin

Kambana niraikitra na « jumelles siamoises » i Kendra sy Maliyah Herrin. Teraka ny 26 Febroary 2002 tao Salt Lake City izy mirahavavy ireo ary nosarahana ny volana aogositra 2006. Kambana voalohany nosarahana manana voa iray avy i Kendra sy Maliyah. Nitazona ny voa irain’izy roa vavy i Kendra nandritra ny fanasarahana azy roa raha tsy maintsy natao « dialyse » kosa i Maliyah hatramin’ny taona 2007, nanomezan’ny reniny azy voa iray.

Tany am-bohoka dia efa tsikaritrin’ny mpitsabo ny tsy fahamombanana teo amin’i Kendra sy Maliyah. Nilaza tamin’ny renin’izy roa vavy mba hanala zaza io mpitsabo io tamin’izany manoloana ny fahasarotana mety ho haterakin’ny fiterahana saingy nolaviny izany. Salama tsar aizy roa vavy ireo amin’izao fotoana ary nanoratra boky momba azy ireo ny reniny mitondra ny lohateny hoe « When Hearts Conjoin ».

Laisser un commentaire