RN5: Lalana Soanierana Ivongo – Mananara Avaratra, mandroso ny asa
Dépêche 18 octobre, 12h, Ny volana desambra 2021 no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’ny Soanierana Ivongo amin’ny Mananara Avaratra. Lalana izay efa ela no nangatahana fanamboarana izy io. Mitohy ary mandroso ny asa ankehitriny izay tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Eo ampanaovana ny “terrassement” ny orinasa ankehitriny sady efa miditra amin’ny fanitarana ny arabe ihany koa. Ity lalana ity izay efa nampikaikaika ny mpampiasa azy sy ny mponina ary hitondra tombony betsaka ho azy ireo ny fahavitan’izany.
