Australie: Misy olana eo amin’ny facebook.
Nanomboka ny alakamisy 18 febroary lasa teo dia tsy afaka mandefa horonan-tsary ireo mponina any Australie. Miteraka tsy fahazahoan’izy ireo vaovao marina sy ara-potoana anefa izany. Tsy afaka mandefa ny vaovao farany sy mandray vaovao any an-kafa izy ireo amin’izao. Ny facebook anefa no hany hanamoran’izy ireo ny handraisana ny vaovao sy hampitana ny vaovao haingana. Na ny vaovao mikasika ny fahasalamana sy ny toetr’andro aza dia voafafa avokoa. Tsy nisy anefa ny fampilazana mialoha avy amin’ny tompon’andraikitry ny facebook, Mark Zuckerberg, ka tezitra ireo mponina any an-toerana noho io sakana io.
