Australie : Nobatain’i Novak Djokovic ny amboara tamin’ny Open d’Australie Tennis 2021.
Tontosa ny Alahady 21 febroary 2021 tany Melbourne, Australie ny lalao famaranana ny Open d’Australie eo amin’ny taranja Tennis. I Daniil Madvedev, 24 taona, avy any Russie, no nifanandrina tamin’ilay mpilalao mitàna ny laharana voalohany maneran-tany Novak Djokovic, avy any Serbie. Nivoaka mpandresy ity farany tamin’ny seta 7-5, 6-2, 6-2. Tsy nahatohitra an’i Djokovic mihitsy i Medvedev, laharana faha-4 maneran-tany, nandritra ny lalao. In-tsivy nandrombaka ny Open d’Australie i Djokovic, izay lasa zava-bita tsara indrindra maneran-tany ankehitriny. Ny taona 2008, 2011, 2012, 2013, 2015, 2016, 2019, 2020 ary 2021 no nahavitany izany. Raha tsiahivina, mbola nanana olana teo amin’ny kibony i Djokovic no nanao ilay lalao famaranana.
