Allemagne : Mikasa hiova klioba i Robert Lewandowski
Teraka ny 21 aogositra 1988 tao Varsovie i Robert Lewandowski. Milalao baolina kitra iraisam-pirenena polonaise ny tenany. Mitazona ny toerana loha-laharana ao amin’ny Bayern Munich izy ary efa tonga teo amin’ny lalao ampahefa-dalana tamin’ny Euro 2016 tao France, ary efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, lalao baolina kitra tamin’ny taona 2018 tao Russie.
Voasokajy ao anatin’ireo “avant-centres” maha indrindra eran-tany ihany koa izy. Raha ny vaovao farany mahakasika azy dia mikasa ny hiditra ao amina klioba européen lehibe iray izy ao anatin’ireo taom-pilalaovana roa ho avy ireo mba hanatanterahany fanamby farany. Mankalaza ny faha 33 taonany tokoa mantsy izy ary ny taona 2023 izao no mifarana ny fifanarahany miaraka amin’ny Bayern Munich. Manahy ny tsy anaiken’ity farany izany raha tsy misy tambiny ny kosa nefa Sky Sports News noho ny efa naramain’ny Bayern Munich azy 100 tapitrisa livres mahery (manodidina ny 118 tapitrisa euro).
