Israel : Gadra teratany palestinianina nahazo ny « prix international de la fiction arabe »
Mpanoratra tantara, palestinianina, iray voatazona ao amin’ny fonjan’Israely, nanomboka ny taona 2004, no nahazo ny loka iraisam-pirenena eo amin’ny fanoratana tantara foronina arabo (IPAF). Anisan’ny mari-pankasitrahana ambony indrindra eo amin’ny literatiora arabo, ity norombahany ity, araka ny fanazavana. Tamin’ny alalan’ny asa sorany, mitondra ny lohateny « Masque, couleur du ciel » izay mitantara ny fiainan’arkeolgy iray, nonina tao amin’ny tobin’ireo mpitsoa-ponenana ao Ramallah, any Cisjordanie, izay fehezin’i Israely, ka nahita karatra manga ana israelianina iray tao anatin’ny paosin’ny palitaho tonta iray. Noraisiny ho maha-izy azy vaovao io (nentiny nanarona ny mahaizy azy « masque ») mba ahafahany mahafantatra bebe kokoa ny momba ireo « Mpibodo » Israelianina. Noho ity mpanoratra ity voatazona am-ponja anefa, dia ny tranom-boky ao Liban no nandray ity asa soratra ity.
