ActualitésTatitra

Mayotte : Mbola ankizy manodidina 9 500 isa no tsy miditra an-tsekoly

Nanao fanadiadiana nitondra ny lohahevitra hoe « Non-scolarisation et déscolarisation à Mayotte : dénombrer et comprendre » ny fikambanana sy ny federasiona « Apprentis d’Auteuil Mayotte, Mlezi Maore » sy ny CNAPE (Convention Nationale des Associations de Protection de l’Enfant). Tarihin’i Gilles Séraphin sy i Tanguy Mathon-Cécillon ao avy amin’ny oniversiten’i Paris-Nanterre izany.

Navoakan’izy ireo fa 5 hatramin’ny 8,8% na 5 300 isa hatramin’ny 9 500 isa ny ankizy 3 hatramin’ny 15 taona tokony hianatra ao Mayotte dia tsy miditra an-tsekoly avokoa. Nanamafy ny angon-drakitry ny fanadiadiana efa nataon’ny rektora Gilles Halbout io antontan’isa io. Raha tsiahivina dia ankizy 8 000 no nofaritan’io tompon’andraikitra io fa tsy misitraka fampiarana any an-tsekoly ao amin’ny nosy.

Ny fitombon’ny mponina sy ireo mpifindra monina kosa no isany nampitombo an’isa ireo ankizy tsy mianatra ireo raha ny tatitra.

Laisser un commentaire