ActualitésTsidika

Manandriana: Misy ny fanamborana ny tetezana ao Ambohibary

Misy ny fanamborana ny tetezana mampitohy ny fokontany Ambohibary amin’Ambatolampy, ao amin’ny kaominina Manandriana, amin’izao fotoana. Efa ela ireo mponina ao an-toerana no niandrandra ny fanamborana izany, afaka ny voalaza.

« Tsy tongan’ny fiara ny fokontany Ambohibary ary tsy maintsy miampita rano eo ny olona rehefa hiampita ny fokontany, hiantsena, hianatra,hiasa. Rehefa fahavaratra aza moa ny andro dia miakatra be ny rano ary mandeha mafy tsy azo hiampitana ka dia mitoka-monina tanteraka ny mponina Ambohibary » hoy ny tomponandraikitra.

« Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ety ifotony ny asa tahaka izao. Fijaliana ho an’ny mponina ny tsy fahampiana foto-drafitr’asa ka hisaorana ireo manao ezaka mitsinjo ny vahaoka » hoy i Domoina, mponina ao Manandriana.

Fototra hisian’ny fampandrosoana eny ifotony ny fametrahana foto-drafitr’asa araka ny filàn’ny mponina. Mbola maro ireo tokony ho sitrahan’ny mponina ao anatin’izany, ka mila fijerena manokana.

Laisser un commentaire