Croatie : Ankizy iray no tafavoaka velona manoloana ny kaikitra bibilava misy poizina mahery indrindra ao Europe
Niala sasatra tao Croatie i Thibault, 6 taona sy ny fianakaviany izay avy ao Belgique. Rehefa nitsidika ny valan-javaboahary iray tao an-toerana izy ireo dia voakaikitry ny bibilava « vipère des sables » ilay zazalahy. Marihana fa isan’ireo bibilava voasokajy ho misy poizina mahery indrindra ao Europe ny »vipère des sables ».
Rehefa nahare ny kiakiakan’ny zanany kosa ireo ray aman-dreny dia niantso ny mpamonjy voina avy hatrany saingy tany amin’ny faritra tsy nisy « réseau » no nisy azy ireo ka voatery nanantona toeram-pitsaboana. 45 minitra dia tongotra niala ny toerana nisy azy ireo nefa no nisy izany toeram-pitsaboana izany.
Rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa i Thibault dia nomena fanafody avy hatrany mba tsy ho tonga ao amin’ny fony ilay poizina. Efa saika tara nefa ny fahatongavan’izy ireo raha ny fanazavan’ny mpitsabo.
