ActualitésTatitra

Taïwan : Niaina ny fisian’ny tranga covid-19 maro voalohany

Trano fandraisambahiny any amin’ny seranam-piaramanidina an’ny sampana frantsay iray izay tena malaza, mpikambana ao amin’ny vondrona philantrophique; sy ny toerana iray fisotroana sy fandraisam-bahiny iray ao Taipei no namotika ny paikady nentina niady tamin’ny valan’aretina tao Taïwan. Ity firenena ity izay manana mponina 23,5 tapitrisa ary ny 27 aprily lasa teo, 1 100 ireo tranga hita tamin’ny Sars-Cov-2 nanomboka ny martsa 2020 ary ny 984 tamin’ireo olona avy any ivelany. Nanomboka teo anefa, nitombo avo 5 heny ny isan’ireo olona tratran’ity valan’aretina ity. Ny talata 25 mai ny foibe mpitantana ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina ao Taïwan no nanao fanambarana fa misy tranga vaovao voamarina miisa 283, izay avy ao an-toerana avokoa. Raha toa ka 12 ireo maty no faran’ny volana aprily teo, tafakatra 35 izany ankehitriny. Nanomboka ny 15 may ho an’ireo mponina ao Taipei ary ny 19 may ho an’ireo firenena hafa, ireo trano fisakafoana, fialamboly, tranom-bakoka sy ireo sekoly sy oniveristy no nanomboka nikantona. Fanampin’izay, voarara ny fivorivoriana rehetra miohatra ny olona 5 anaty efitrano na olona 10 ety ivelany. Raha napetraka fa hifarana ny 28 mai ireto fepetra ireto, nanampakevitra ny fitondram-panjakana fa hitarina hatramin’ny 14 jona indray izany.

Laisser un commentaire