Soudan du Sud : Hamerina vaksiny AstraZeneca 72000 any amin’ny “initiative covax”
Ao anatin’ny olana amin’ny tsy fahampian’ny fiarovana sy ny tsy fahatokisan’ireo mponina tanteraka ny firenena amin’izao ka manahy ny amin’ny tsy ahavitana mitantana ireo fatra rehetra tonga. Hamerina fatra 72 000 amin’ilay vaksiny AstraZeneca any amin’ny “initiative covax” noho izany i Soudan du Sud satria tsy ho vitany ny hitahiry azy mialohan’ny fahataperan’ny fotoana fampiasana azy, hoy ny tompon’andraikitra iray any amin’ny ministeran’ny fahasalamana. Naharay fatrana vaksiny 132 000 avy any amin’ny Covax ity firenena ity. Voasakan’ny tsy fisian’ny trano sy ny fisalasalan’ireo mponina anefa ny fanaparitahana izany any an-toerana. Sud-Soudanais 7 996 amin’ireo mponina 12 tapitra ihany hatreto no nanaiky hanao vaksiny. Ary amin’izao fotoana, 10 677 ireo trangana covid-19 any an-toerana ka 115 no maty. Mipetraka ny fanontaniana : alefa aiza izany ireo vaksiny ireo ?
