Ambohimangakely : Mpanendaka roa lahy tratran’ny zandary
Mpanendaka roa lahy no tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimangakely ny sabotsy lasa teo, rehefa avy nanao ny asa ratsiny, tao amin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely ihany. Fiaraha-mientan’ny mpitandro filaminana sy ny mponina no nanamora ny fisamborana ireto farany, araka ny voalaza.
“Mpianaka telo mianaka hamonjy fodiana no nisakanan’ireto olon-dratsy ary nambanany antsy sy norahonana avy hatrany hamoaka ny vola sy ny finday teny amin’izy ireo. Tafatsoaka nitady vonjy anefa ny raim-pianakaviana nandritra izany ka ny roa mianaka no voaroba” hoy ny brigadin’Ambohimangakely.
“Tsy ela taorian’izay anefa dia tonga ny zandary tety an-toerana ary niara-nisalahy tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ny mponina tety amin’ny manodidina ka nanamora ny fisamborana ireo olon-dratsy” hoy hatrany ny fanazavana.
Tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony moa ireo finday izay norobain’ireto olon-dratsy ireto ary notazonana hatao famotorana ary miandry ny valin’ny fitsarana azy ireto farany.
Manitra R.
