Ankadikely Ilafy : Mihorohoro ireo mponina noho ny tsy fandriam-pahalemana
Mihorohoro ireo mponina ao Ankadikely Ilafy sy ny manodidina noho ny tsy fandriam-pahalemana. Ny alatsinainy teo, lehilahy iray no niharan’ny asa fanendahana, ka notsatohan’ireo mpanendaka antsy, araka ny voalaza.
« Mila mitandrina amin’izao fotoana izao fa tena mamely ary mahasahy mamono, manindrona antsy ireo mpanendaka amin’izao fotoana. Raha mety sy azo sorohana ihany koa ny fodiana hariva dia aleo tsy mody maizina intsony » hoy i Haja, niharan’ny fanendahana.
« Tokony asiana mpitandro filaminana mihitsy amin’ireo lalana mangingina sy maizina na ny elakelan-trano fa efa tsy mifidy ary mahasahy mandatsak’aina ireo jiolahy, eny fa na amin’ny andro atoandro aza. Atody miady amam-bato ny mponina, ka hitady vola ny hivoahana ny trano kanefa ny jiolahy ihany koa mamely, tsy misy azo hianteherana afa-tsy ny mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ny aina » hoy i Zoe, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Teny amin’ny sampanana Ankadikely moa no nisehoan’ity tranga iray ity, tokony tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Miantso ny tomponandraikitra ary miandry ny fandraisana fepetra araka izany ny mponina.
