Etats-Unis : Sisa-paty efa lasa lavenona hita tany andrefan’i Mexique
Nahitana sisa tamin’ny fatin’olombelona tao amin’ny lavaka sy toerana fandorana faty iray tany andrefan’i Mexique, omaly alatsinainy, araka ny fanambarana nataon’ireo vondrona mpikaroka ireo olona tsy hita na very any an-toerana. Raha natambatra, nahatratra 25 ireo lasaka nisy taolana sy ravin-damba efa may hita tao El Salto, ao Jalisco. « Tonga tamin’ny toerana fandorana faty iray vita tanana izahay. Rehefa natao ny fikarohana dia nahita taolana sy sisan’hoditra ary nofon’olona efa may, mbola nahitana donak’afo ity toerana ity » raha ny nambaran’ireo mpikaroka. Etsy ankilan’izany, tsy mbola namoaka fanapahan-kevitra momba izany tranga izany ny fampanoavana any an-toerana. Tao amin’ity faritr’i Jalisco ity ihany, nahitana vatan’olona dimy, efatra lehilahy ary iray vehivavy tao amin’ny lalana manelanelana ny kaominina Encarnacion sy Lagos de Moreno. Ireo mpamatsy sy mpikirakira zava-mahadomelina any an-toerana dia anisany mampiasa ity lafaoro ity hamonoana ireo lasibany,raha ny nambaran’io fikambanana io hatrany. Ao Mexique moa dia mahatratra 10.000 ireo fanambarana olona tsy hita na very any an-toerana.
