France : « Uber shit » miisa dimy niakatra fampanoavana tao Lyon
Olona dimy, voarohirohy ho mpivarotra sy mpamatsy zava-mahadomelina (uber shit), tsy ara-dalàna tamin’ny alalan’ny fandefasana hafatra miafina (messagerie chiffrée) no niakatra fampanoavana tao Lyon, ny alahady teo. ny fiandohan’ny herinandro no nosamborina izy dimy lahy ireto, rehefa nosokafana ny fanadihadiana fa mpamatsy zava-mahadomelina sy mpamotsy vola ary mpandray anjara amin’ny asan-jiolahy isan-karazany izy ireto. Voatzona am-ponja avy hatrany ny efatra tamin’izy ireo ary nahazo famotsorana kosa ny iray saingy eo ambanin’ny fanaraha-mason’ny fitsarana. Anisan’ny heloka nitazomana azy ireo moa ny famatsiana (livraison à domicile) zava-mahadomelina, ny cocaïne, ny cannabis an’ireo mpanjifany izay mpikambana ao amin’ny « boucle Telegram » izay manana mpanaraka manodidina ny 2500.
