ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Nifarimbona tamin’ny asa fanamboaran-dalana ireo mponina

Niara-nientana nanamboatra ny lalana ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambohipeno, ny faran’ny herinandro teo. Lalana anisan’ny tena ratsy, kanefa tsy mbola nisy nitondra fanamboarana, na efa nanao antso tamin’ny tomponandraikitra aza ireo mponina, araka ny voalaza.

“Nahatsapa ny fijaliana amin’ny faharatsian’ity lalana ity izahy ekipa ireto ka nikaon-doha sy nanambatra hery mba hanamboatra izany, ho tombotsoan’ny rehetra” hoy I Fidèle, mpanamboatra lalana.

“Tsy voatery hiandry ny tomponandraikitra fa ny firaisan-kina sy ny fahatsapan-tena no zava-dehibe mba hananana ny tsara. Tsy ho an’ny tena irery anefa fa ho an’ny soa iombonana. Ilaina ny mikajy azy itony satria fikelezan’aina no nataon’ireo solo-tena nanamboatra azy” hoy I Odile, renim-pianakaviana.

Nahafoy fotoana ary nanao izay vitany hanamboarana ity lalana ity ireo olona ireto. Tsy nisy ny tambiny noraisin’izy ireo tao anatin’izany, saingy natao izany asa izany ho fitsinjovana ny rehetra.

Laisser un commentaire