Antsahalovana : Miakatra any an-trano ny rano, mitaraina ny mponina
Mitaraina manoloana ny fiakaran’ny rano tao anatin’ny telo andro nisian’ny orana ny mponina ao amin’ny Fokontany Antsahalovana sy Antohomadinika, Ankazomanga. Tafiditra hatrany anaty trano ny orana ka atahorana ny hisian’ny aretina.
« Tsentsina ny lakan-drano mankaty aminay. Izahay rahateo tsy manana fahafahana ny hanamboatra izany, ka manao antso avo amin’ny mpitondra izahay satria efa manomboka izao ny rotsak’orana » hoy Bruno, mponina eny Antsahalovana. « Miakatra ny rano maloto, izahay tsy misy aleha fa tsy maintsy mijanona eto ihany. Tsy mbola nisy ny toy izao hatramin’izay » hoy i Lalaina, renim-pianakaviana monina eny an-toerana.
« Mila vahaolana vonjimaika aloha ireo olona ireo, kanefa na izany aza, izao no vokatry ny fanariana fako ao anaty tatatra, izay miteraka fahatsetseman’ny tatatra. Tokony nisy foana ny fiomanana alohan’ny fahavaratra na ho an’ny mponina eny ifotony izany na ho an’ireo mpitondra » hoy i Hery, mpiaro ny tontolo iainana.
Tsiahivina fa misy ny fenitra tokony ho arahina amin’ny fananganana trano, hisorohana ny mety hisian’ny loza. Misy ny efa faritra iva tsy azo hananganana trano fonenanana fa atahorana amin’ny fiakaran’ny rano, izay tokony hojeren’ny tompon’andraikitra ary hanomezany vahaolana.
Nicole Rafalimananjara
