ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Zava-dehibe ny fanarenana ny ala honko any amin’ny faritra Analanjirofo

Nisy ny fitsidihina ny faritra Analanjirofo nataon’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, ary ny Masoivohon’i Suisse eto Madagasikara. Ny toerana fambolen-kazo natokana hamatsiana hazo atao angovo sy ireo mpanao loha-menaka miara-miasa amin’ny ONG AIM Lova tao Tampolo ary ny alambika andrana mitsitsy kitay natao hamokarana lohamenaka avy amin’ny jirofo, izay ampiasain’ny orinasa Givaudan tao amin’ny Kaominina Analanampotsy no isany tamin’izany.

« Manan-karena tokoa isika eto Madagasikara raha resaka manodidina ny tontolo iainana, saingy mila fanatsarana lehibe izany ho antoky ny hoavintsika. Isany amin’izany ny ala honko aty Analanjirofo » hoy i Armand, mponina any an-toerana. « Efa heno ny hetahetan’ny mponina, ary tsy sanatria hodiana tsy hita izany fa kosa hiezaka ho amin’ny tsara hatrany isika hizorana ho any amin’ny fampandrosoana » hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Samy tompon’andraikitra ny rehetra manoloana ny tsy tokony hamotehana ny tontolo iainana ka aoka tsy hiandry ny fanjakana foana vao hanao zavatra » hoy i Fidel, mpianatra mikasika ny fiarovana ny zava-maniry eto Madagasikara.

Nanolotra fitaovana mba ahafahana manitatra ny tanin-janakazo sy mba hamokatra bebe kokoa ny zana-kazo honko ho volena amin’ny ireo toerana simba ny avy ao amin’ny Ministera. Tena fotoanan’ny fambolen-kazo tokoa izao ka hanasana antsika rehetra mba handray anjara ho an’ny taranaka manoloana izany fambolen-kazo izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire