ActualitésTsidika

Fizahantany 2023 : Misokatra ho an’ny daholobe ny Parc Nasionalin’ny Bemaraha

Nisy ny fanamboarana tsy maintsy natao tao anatin’ny Parc Nasionalin’ny Bemaraha ka izay vao afaka mandray olona. Efa misokatra araka izany ny Parc afaka mandray ireo mpizaha tany rehetra na Malagasy na Vahiny. Mifanindra-dalana tanteraka amin’ny vanim-potoana fihafaran’ny rotsak’orana izany fisokafana indray izany.

« Tsy maintsy namboarina ny tao anatin’ny Parc ahafahana manatsara ny tolotra hatrany. Anisan’ny namboarina tamin’izany ny fametrahana ireo fitaovana hahfahana miaro ny ain’ireo mpitsidika amin’ireo faritra maro toa an’ny Belo-bekopaka sy Morondava – Tsimafana », hoy ny fanazavana avy amin’ireo mpitari-dia nanatanteraka ny fikarakarana.

Anisan’ny toeran be mpitsidika indirndra eto Madagasikara ity Parc ity na dia eo aza ny fahasarotana amin’ny fivezivezena indrindra ao amin’ny Tsingy. Nanova fomba fiasa araka izany ireo tompon’andraikitra ao an-toerana. « Ahafahana miaro ny ain’ireo mpitsidika ireo dia tsy maintsy hialohavan’ny mpitari-dia ny fitsidihana rehetr ao anatin’ny Parc manomboka izao. Ahafahana manintona mpizahatany hafa ihany koa izany satria tena hafa ny miaraka amin’ny olona fa za-dalana. Mifanindra-dalana amin’izany dia hampiofanina ireo mpitari-dia ireo amin’ireo fihetsika tokony hataony raha sendra loza », hoy ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany ao an-toerana.

Hita fa te hanome ary vonona hanome ny tsara hatrany ireo mpisehatra ao an-toerana ka izany no nandrisika ireo mpitari-dia ireo nanao ny fanamboarana ny toerana. Tokony hampiana izy ireo ahafahana manatsara hatrany ny tolotra ka hahatrarana ny tanjona izay napetraky ny Fanjakana Foibe.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire