Ikianja Ambohimangakely : Tratra ilay mpangala-jaz
Voasambotry ny mpitandro filaminana ao Ambohimangakely ilay lehilahy mpangala-jaza teny Ikianja Ambohimangakely. Nifanena tamin’ny rain’ilay zaza nokasaina hangalarina ilay mpangalatra sy ny zaza.
« Niantso ny manam-pahefana haingana aloha no nataoko. Gaga ihany aho mantsy nahita ity rangahy nitondra ny zanako. Ny tany rahateo efa tsy milamina » hoy ilay raim-pianakaviana. « Mila mitandrina foana isika fa ny ratsy tsy kely lalana. Efa tsy milamina rahateo tokoa ny tany » hoy i Mino, mponina eny Ikianja. « Mila faizina sy omena sazy enjana ireny mpangala-jaza ireny. Mivarotr’olona ankolaka na mivantana. Tena enjehin’ny lalàna izany eto Madagasikara » hoy i Fanja, mpahay lalàna. Tsy milamina tokoa ny tany. Tsy mifidy toerana, ora sy fotoana intsony ny ratsy.
Mila mitandrina isika ray aman-dreny. Mila fanaraha-maso avy amintsika ny zanatsika.
Nicole Rafalimananjara
