ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Antoky ny fahaveloman’ny mponina ny fambolen-kazo

Any Mahanoro, faritra Atsinanana no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho amin’ity taona 2022 ity. Ny Filoha Andry Rajoelina no hanatanteraka izany.

« Fambolen-kazo fanarenana loharano, antoky ny fiveloman’ny mponina » ny lohahevitra ho entina hanamarihana izany. Velaran-tany 150 000 Ha no ho rakofana ala amin’ity taona ity raha ny vinavina. Entanina ny rehetra samy hamboly hazo araka ny tandrifiny azy avy na fikambanana na olon-tsotra. Efa hanomboka ny azy rahateo ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana.  »Izay mamboly hazo manavotra firenena. Izay mandoro ala mandoro Tanindrazana ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire