Ambohimangakely: Jiolahy iray efa mpamerin-keloka lavon’ny balan’ny zandary
Jiolahy iray rain-dahiny ary efa nikoizana tamin’ny asa fandrobana sy fanendahana ary fanolanana i Mila oroka. Lavon’ny balan’ny zandary, avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely ity jiolahy ity, ny faran’ny herinandro teo.
“Efa namoahana filazana fikarohana i Andoniaina Nantenaina na i Mila Oroka na koa Rasala na koa Aina ary naparitaka manerana ny haino vaky jery ny fikarohana azy. Ny zoma 8 martsa tamin’ny 5 ora sasany hariva no voasambotry ny zandary namita iraka tao 67 Ha izy. Rehefa voasambotra izy dia nanomboka nanondro ireo namany ka voalazany fa miafina sy mipetraka ao anatin’ny Kaominina Ambohimangakely ireo namany roalahy” hoy ny avy amin’ny brigadin’ny zandarimaria.
“Teo Ambohitrakanga, fokontany Ambohitrombihavana kanefa dia nanararaotra andro maizina izy ka nitsoaka. Nampitandremana tamin’ny antso mafy azy mba hijanonana saingy tsy nety ka voatery nitifitra azy ny zandary. Naratra mafy ny tenany ka namoy ny ainy noho ny fahaverezan-dra na dia niantsoana mpitsabo aza” hoy hatrany ny fanazavana.
Maro ireo heloka anenjehana ity lehilahy ity. Teo ny vaky trano, fangalarana kodiarana tamin’ny fiaran’olona miisa efatra, mpanao sinto-mahery sy mpangaro-paosy, mpanao fikambanan’olon-dratsy, fandrahonana ho faty mpitandro filaminana, efa nahiditra am-ponja noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona ihany koa izy. Mitohy moa ny fikarohana atao ireo namany amin’izao fotoana. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ary ho karohina ireo olona mpanome vaovao sy nanampy azy tamin’ny fandosirana.
