ActualitésTsidika

Alasora : 35 000 logements, lasa vakoka sisa

Tsy misy tafo intsony, tsy misy varavarana, rindrina sisa mijoro. Toa izao sisa ilay trano lehibe na 35 000 logements etsy Alasora, izay trano naorin’ny fitondram-panjakana tamin’ny andron’ny filoha Didier Ratsiraka. Ankehitriny, fahatsiarovana ho an’ireo niaina tamin’izany sisa ity toerana ity.

« Efa tena ela nitoerana loatra ireto trano kanefa raha mba misy mahavita ihany tokony mbola azo atao tsara ny mamerina na manangana ireo trano mba ho lasa foto-drafit’asa vaovao. Maro be ireo tanora amin’izao fotoana no tsy ampy fianarana, tsy ampy asa, tokony handraisana fepetra » hoy i Haja, mponina ao Alasora.

« Tokony asiam-panavaozana sy fikarakarana ny toerana mba hanomomezana sehatra ny tanora fa tsy avela ho lo toa izao, lanin’ny andro ireo zavatra natsangan’ny teo aloha, tsy misy fikarakarana mihitsy kanefa afaka hanganana ireo foto-drafitr’asa izay tsy mbola misy eto Alasora » hoy i Aurelie, mpampianatra.

Tsy tokony ho avela ho vakoka, na ho tantaran’ny zava-misy tany aloha fotsiny ny foto-drafitr’asa tahaka izao. Fandraisan’andraikitry ny fanjakana mahefa ihany anefa no afaka manome alalana amin’ny fandraisana an-tanana ny zavatra tahaka izao. Tsy aleo ve karakaraina raha ho tombotsoan’ny be sy ny maro ihany ?

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire