Australie: Mpandeha telo ambin’ny folo no nahiditra hopitaly taorian’ny fisian’ny korontana tao amin’ny sidina ho any Nouvelle-Zélande
Mpandeha miisa 13, avy any Sydney, Australie no nahiditra hopitaly vonjimaika, taorian’ny nigadonanan’ny fiaramanidina (vol LA800) tao Auckland, Nouvelle-Zélande. Tratran’ny olana ara-teknika teny am-panidinana ity sidina ity ka nahatonga fihetsehana mafy, izay niteraka fikorotanana teo amin’ny sidina sy ireo mpandeha. Nigadona ara-potoana tao amin’ny seranam-piaramadina tao Auckaland ihany ity sidina ity, na teo aza izany fahavoazana izany, araka ny voalazan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ity kaompania ity. Nahazo antso fampilazana ny sampana vonjy taitra tany an-toerana ka tonga niaraka tamin’ny fiara mpitondra marary, ara-potoana, miisa dimy. Maherin’ny 50 isa ireo mpandeha nanaovana ny fizahana tamin’ity tranga ity ka ny iray tamin’ireo no nahiana mafy ny ainy. Miisa 13 kosa ireo nampidirina hopitaly avy hatrany.
