SSMAF: Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny “Foire économique”
Misokatra ny fisoratana anarana amin’ny “foire economique SSMAF” amin’izao fotoana izao, eny amin’ny BTC Ambohimangakely, ho an’ireo mpisehatra rehetra maniry handray anjara amin’ny hetsika. Ny 01, 02 ary 03 septambra no hanatanterahana ny Tsenabe SSMAF, araka ny voalaza.
“Ao anatin’ny hetsika SSMAF hatrany amin’izao fotoana izao, taorian’ny fifaninana fakan-tsary (concours photo) dia misokatra indray amin’izao fotoana izao ny “foire economique SSMAF”. Izy io dia tsena be misokatra ho an’ireo mpisehatra ara-ekonomika rehetra. Na ny mpandraharaha na ny mpamatsy vola sy ireo mpamongady na ny olon-tsotra, afaka mandray anjara avokoa” hoy i Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny SSMAF.
“Hetsika iray hanomezana sehatra ny lafin’ny ara-ekonomika ity tsenabe ity. Amin’io fotoana io dia maro ireo zavatra hiseho, fanararaotra ho an’ireo te ho matihanina amin’ny fitantanana sy ny varotra, ny fandraharahana sy ny maro hafa. Ahitana zava-baovao ihany koa ary azo trandrahana soa aman-tsara ho fanatsarana ny fidiram-bola na ny zavatra atao” hoy hatrany ny fanazavana.
Hisy moa ny fampirantiana trano heva mandritra izany fotoana izany. Ity farany izay azon’ny rehetra na fikambanana na tompona orisana na olon-tsotra mpandraharaha , handraisana anjara ary misoratra anarana avy hatrany eny amin’ny BTC Ambohimangakely.
Manitra R.
