SocialTsidika

Vaovao farany mahakasika ilay zaza very teny Ambohitrimanjaka

Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny rain’i Stéphanie, ilay zaza very teny Ambohitrimanjaka, dia hita soamantsara ny alahady 06 jona teny Analakely ilay zaza, raha tsy hita nanomboka ny alarobia 02 jona lasa teo. Eny amin’ny tobin’ny zandary eny Ambohidratrimo moa no natao ny fanadihadiana mahakasika ny nahavery azy, izay marihina fa nampisavoritaka ny mponina tao Ambohitrimanjaka. Marihina moa fa nisy tokantrano iray, izay noahiana ho nitazona ilay zaza teny Ambohitrimanjaka, ka nampitangorona ny mponina teny amin’ny manodidina andro aman’alina. Raha ny nolazain’ity rainy anefa, izay nisava ilay trano niaraka tamin’ny olona folo hafa ny alahady teo dia tsy nahitana ilay zaza tao amin’ilay tokatrano. Rehefa tonga tany antranony anefa ireo ray amandrenin’ilay zaza raha avy nisava iny dia naharay antso tamin’i Stéphanie izay milaza fa any Analakely izy. Minitra vitsy tao aorinan’izay moa dia naka azy teny ireo fianakaviany ary netiny izy ireo teny amin’ny zandary Ambohidratrimo izy.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire