SportTatitra

Belgique : Ho avy amin’ny Euro 2020 i Axel Witsel

Ankoatra ny fahombiazan’ny ekipan’ny “Diable rouge”, izay ekipam-pirenena any Belgique amin’ny taranja baolina kitra, tamin’ny alahady 6 jona teo nanoloana an’i Croatie tamin’ny isa 1-0, nanome ny valin’ny fizaham-pahasalamana ho an’ireo mpilalaony i Roberto Martinez. Nandritra izany no annambarany vaovao tsara miakasika an’i Axel Wistel fa isan’ireo mpilalao 26 voafidy amin’ny Euro 2020 izy. Azo antoka eo amin’ny ekipa tokoa I Axel Wistel satria nahitana vokatra tsara nandritra ny lalao fanomanana hoy hatrany ny mpanazatra Roberto Martinez. Manomboka ny sabotsy izao ny lalao voalohany hifanandrinan’I Belgique sy I Russie avy eo hihaona amin’ny Danemark any Copenhague ny 17 Jona izao ary amin’ny 21 Jona any Saint Petersburg hihaona amin’ny Finland. Tafiditra ao anatin’ny vondrona B izy ireto amin’ny Euro 2020.

Laisser un commentaire