SocialTatitra

Norvège : Miverina miasa ho an’ireo olona vita vaksiny ny Norwegian Cruise Line

Nanambara ny fiverenany miasa ho an’ireo olona rehetra vita vaksiny, manomboka ny 25 jolay ho avy izao ny sampam-pitanterana andranomasina Norwegian Cruise Line ny talata 06 aprily. Efa heritaona mahery izao no niato tanteraka ny fitondrana olona mitsangatsangana andranomasina noho ny valanaretina coronavirus. Anisan’ny voakasik’izany ny Norwegia Cruise Line. Sambo 3 amin’ny 17 ananan’izy ireo ihany no hiasa manomboka ny volana jolay ho avy izao mba ahafahana manara maso tsara ireo mpanjifa. i Grèce sy Caraïbes no voatondro hitondrana ireo olona manomboka amin’io fotoana io. Na eo aza ny fanamarinana ny fahavitam-baksiny, mbola misy ny fitiliana atao ny olona tsirairay izay vao mahazo alalana hiakatra ny sambo izy ireo hoy ny tale jeneralin’ny sampana, Harry Sommer. Efa misy ihany koa hoy izy ireo ny paik’ady entina hanadiovana ny sambo mba tsy hampitera-doza indray. Marihina fa nahazoana fankatoavana avy tamin’ny minisitry ny fizahan-tany any an-toerana ny fiverenan’ny sampam-pitanterana andranomasina Norwegian Cruise Line.

Laisser un commentaire