SocialTsidika

Talata Volonondry : Mbola mitohy foana ny hetsika vary mora

Tontosa ny hetsika vary mora tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Manampy betsaka ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ity tetik’asa iray ity.

« Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Io vary io no sakafo voalohany tsy maintsy misy ao an-tokantrano. Efa miakatra anefa ny vidiny noho ny tsy fahampian’ny vokatra miakatra. Rehefa ampy ny vary vokarina dia tsy sarotra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo » hoy i Faneva, mponina ao Talata Volonondry. « Mbola mitohy hatrany ny vary mora ho entina hanampiana antsika vahoaka manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary. Misaotra ny fitondram-panjakana mbola manohy izany ho fitsinjovana ny ireo vahoaka madinika » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry.

Tsy vitsy tokoa ireo vahoaka liana milahatra amin’izany. Manampy betsaka ary hitany amin’ny fiakaran’ny vidim-bary ny fisian’ity tetik’asa ity, ary tsara raha tohizana hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire