ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Tontosa ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro andiany voalohany

Nisy ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro an-tanimbary ho an’ireo tanora sy ny tantsaha tao ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova, ny herinandro lasa teo. ny fikambanana Tanora Ambohimanga rova no nanolotra izany fampiofanana izany ary maimaim-poana, araka ny voalaza.

“Tontosa soa aman-tsara ny fiofanana fiompiana trondro an-tanimbary andiany 1 teto amin’ny fokontany Ambohimarina Ambohimanga Rova. Hisaorana ireo rehetra niara-niombon’antoka ka nahafahana nanatontosa izany an-tsakany sy an-davany, indrindra ny ekipa avy amin’ny APDRA Madagascar sy ny raiaman-dreny Jeneraly Ravalomanana Richard” hoy ny avy amin’ny fikambanan’ny tanora ao an-toerana.

“Mitohy avy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny fiofanana izay natao teto an-toerana ka amin’ny herinandro ho avy io dia hidina eny an-tanimbary sahady ireo ekipa hijery ny toerana hanaovana ny asa” hoy hatrany ny fanazavana.

Maro moa ireo mbola te hisitraka ity fiofanana ity, indrindra ireo tsy nahatratra ny andiany voalohany. Nanape-kevitra araka izany ny tomponandraikitra fa ho avy tsy ho ela ny andiany manaraka, ka ho tanterahana ny 16 Desambra 2023.

Laisser un commentaire