Sénégal : Sadio Mané, mpilalao baolina nandao ny fihaviana nanatanterahana ny nofinofiny
Mpilalao baolina kitra teraka tao Sénégal ny 10 aprily 1992 i Sadio Mané. Milalaoamin’ny klioban’ny Bayern Munich izy amin’izao fotoana ary anisan’ireo mpilalao baolina kitra mahay indrindra eran-tany. Anisan’ireo namiratra indrindra ihany kosa izy tao amin’ny ekipan’ny baolina kitran’i Sénégal.
Nanao sorona zavatra maro nefa i Sadio Mané vao tonga tamin’izany lazany izany. Fony vao kely izy dia efa nankafia ny baolina kitra ary naniry hisehatra tamin’izany. Tsy nakatoavin’ny rainy nefa izany izay mpitondra fivavahana tao amin’ny tananan’izy ireo.
Manoloana izany dia nitsaoka ny trano fonenany nihazo ny renivohitra i Sadio Mané teo amin’ny faha-15 taonany. Nokarohin’ny fianakaviany azy ary tafaverina tao amin’ny tanana niaviana. Rehefa nandresy lahatra ny fianakaviany nefa izy fa hihaona amin’ny mpanazatra samihafa dia nahazo alalana.
Nihazo an’i M’bour izy, tanana lehibe indrindran’ny baolina kitra ao Sénégal. Jules Boucher tao amin’ny AS Génération Foot, iray tamin’ireo klioba tao Dakar naharan’ny Européen maso no nandray azy tamin’izany ary nanomboka teo izy no nisandratra teo amin’izany taranja izany.
