Mila fiarovana amin’ny aretina ihany koa ireo voafonja
Efa tena miparitaka izay tsy izy ny areti-mifindra COVID-19 eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy mifidy saranga ary ireo olona ambony aza no tena tiany raha ny hita eny rehetra eny. Nahitana trangan’ ny aretina ny mpiasa tao amin’ny fitsarana. Betsaka ny fepetra noraisina taorian’izay ka efa nandrarahana fanafody ny toerana iasan’ny Ministeran’ny Fitsarana rehetra. Efa nomena fahefana ihany koa ny mpiasan’ny fitsarana manoloana ny aretin amin’ny andraikitra sy asa-aman-draharaha ataony hoy ny Ministry ny fitsarana, Johnny Richard Andriamahefarivo. Ankehitriny fantatra ihany koa fa nahitana trangan’ny aretina ny gadra roa tao amin’ny fonjan’i Mahajanga. Nomena ny fitsaboana sahaza azy avy hatrany ireto gadra ireto. Tapaka ihany koa fa ho atao Quarantaine aloha ny gadra vaovao rehetra ary hatao fitiliana ka raha voamarina fa tsy mitondra ny aretina vao hampiarahana ny namany. Miparitaka loatra ny aretina, ilaina anefa ny fifehezana izany na dia any am-ponja aza mba tsy hahasehaka ireo voafonja marobe izay tsy ilaozan’izay tsy hitakosona. Mila mandray fepetra goavana amin’ireo gadra araka izany ny tompon’andraikitra, mila atao mifanaraka ny zava-misy amin’ny aretina ihany koa ny foto-drafitr’asa ao amin’ny fonja mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Nicole Rafalimananjara
