ActualitésTsidika

Vidim-bary : Mitaraina amin’ny fiakarany ny olona

 Tafiakatra hatramin’ny 3 000 ariary ka hatramin’ny 3 500 ary ny iray  kilao amin’izao fotoana izao. Raha toa ka manomboka amin’ny 700 ariary ka hatramin’ny 1050 ariary ny iray kapoaka. Ny volana janoary teo no efa nahitana ity fiakarana ity. Hatramin’izao anefa dia tsy mitsahatra miakatra  ny vidiny.Velon-tarainana noho izany ny mpanjifa. « Tena tsy mitsahatra miakatra ity vidim-bary ity. Mahatsiaro tena sahirana aho amin’ny famelonana ny zanako. Tsy maharaka ny vidiny intsony ny vola am-pelatananay ka zara raha misakafo ny zanako. Olona 6 izahay anefa roa kapoaka isakin’ny mahandro. Miezaka mividy ireny vary « stock » ireny ihany mba hampihena ny fandaniana anefa mba jerena ihany koa ny fahasalamana. » hoy i Felana, renim-pianakaviana.  

Mandalo ambaratonga maromaro ny fifehezana ny vidim-bary. Raha ho an’ny mpivarotra sy ireo mpaninjara madinika dia miankina amin’ny vidiny hakana azy ihany ny hampiakarana ny vidiny. Samy manana ny hanaovan’ny tsirairay azy avy araka izany ny fametrahana ny vidim-bary. « Raha ho anay mpivarotra aloha dia efa miezaka ihany ny tsy hampiakatra be ity vidim-bary ity. Nefa tsy afaka manohatra izahay raha toa ka misy ny fampiakarana izany any ami’ny fototra. Tsy maintsy mameno ny banga koa izahay, ka izany no anisan’ny mampiakatra ny vidim-bary amin’izao io. » hoy i Hery, mpivarotra.

Olàna lehibe miampàka mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka ity resaka vidim-bary ity. Tokony jerena akaiky fa lasa mampitombo ny fijalian’ny mponina. Samy manana ny andraikitra daholo ny sehatra tsirairay mba hifehezana ity fidangan’ny vidim-bary ity.

Erwan RAN

Laisser un commentaire