Start-up Week-end: Miditra amin’ny andiany manaraka indray ny hetsika amin’ity volana martsa ity
Ny zoma 24 martsa izao hatramin’ny alahady 26 martsa izao indray ny fotoana hanatanterahana ny “start-up week-end” izay miaraka amin’ny lohahevitra vaovao dia ny ESS izany. Raha hadika tsotsotra izany ESS izany izay halavaina hoe Economie Sociale et Solidaire dia izay rehetra mahakasika ny Ny fikambanana sy ny kaoperativa dia raisina ho toy ny orinasa ESS, ary ny orinasa ara-barotra mahazatra (SA, SARL, SAS…) dia afaka miditra ao anatin’ny sehatry ny ESS ankehitriny raha mahafeno fepetra sasantsasany izy ireo, indrindra fa ny lalàna. Orinasa iray hahazoana tombony ara-toe-karena sady mitondra akony ho an’ny fiarah-monina ihany koa.
Ao amin’ny CCIA Antaninarenina ny 24, 25, 26 martsa izao izany ny fotoana manomboka amin’ny 18h30
Tsy izay manana hevitra irery ihany no afaka manatrika fa afaka tonga avokoa ny rehetra ary tsy misy ny vidim-pidirana. Toy ny mahazatra moa dia ny fananganana orinasa no tanjona lehibe indrindra amin’ity hetsika ity.
Sary: Vela-kevitra ho an’ny mpanao gazety 21 martsa 2023
