ActualitésTatitra

Etats-Unis : Hanofana « astronaute » vaovao ny NASA

Nandray « astronaute » vaovao ny NASA. Ireo astronaute efa nahavita ny fitsapana nampitain-davitra sy nanana diploma Master siansa na teknolojia na injeniora na « mathématiques »z no noraisaina tamin’izany ary nekena ihany koa ireo nanana diploma dokotera na « programme de pilote d’essai ».Olona 12 000 no nangataka fandraisana anjara tamin’izany, ary 10 tamin’ireo no noraisina. Hampiofanina manomboka ny volana janoary izao ao amin’ny Johnson Space Center ao Houston ireo voafantina ireo hoy ny lehiben’io masoivoho io, Bill Nelson. Haharitra 2 taona ny fampiofanana hoy izy hampianarina fahaiza-manao robotika, fampandehanana « station spatiale », teny « russe » ary fanazarana eny an’habakabaka.

Laisser un commentaire