Ambohimangakely: Hanomboka tsy ho ela ny fampirantiana ireo jiro maroloko eo Ambodivoara
Manaiky ny fankalazana ireo fety isan-karazany amin’izao fotoana izao ary samy miomana amin’ny fikarakarana izany avokoa ny isaky ny kaominina. Ho an’ny kaominina Ambohimangakely, hanomboka tsy ho ela ny fampirantiana ireo jiro maro loko, mandravaka ny tanàna eny an-toerana, raha ny voalaza.
“Ho famalifalana ny rehetra, ary efa efa fanaon’ny kaominina hatrany ny mikarakara hetsika, hampirantiana ireo jiro maroloko, mandravaka ny tanàna. Indrindra mba hafahan’ny rehetra miara-mifety an-kafaliana amin’izao fotoana izao” hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
“Fotoana iray mb hifanentanan’ny mpianakavy sy ny mpinamana ny fanehoana ireo ranty amin’ny jiro maroloko mandravaka ny tanàna. Hisaorana ireo tomponandraikitra sahady amin’ny fikarakarana sy ny fanentanana” hoy I Hoby, mponina ao Ambohimangakely.
Anisan’ny manome ravaka ny tanàna indrindra ny alina tokoa ny fampirantiana ireo jiro maroloko. Manome endrika ny tanàna izany no manome hafaliana ihany koa ho an’ireo ankizy sy tanora izay tonga miala voly.
Manitra Ramanantsoa
