ActualitésTsidika

Mety hisy vokany ve ilay 332 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI ?

Nilaza ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny vola fa efa napetraka any amin’ny Banky foibe ireo vola 332 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Vola izay nomen’i Kristalina Georgieva, Tale Jeneralin’ny FMI ho fanampiana an’i Madagasikara. Amin’ny alalan’io fanampiana io moa no hanatanterahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vina izay napetrany.Raha tsiahivina, nanolotra vola mitentina 332 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara ny Tahirim-bola iraisam-pirenena nandritra ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina tany Etats-Unis ny 24 septambra 2021 lasa teo. Marihina fa tsy haverina na notrosaina io vola izay natolotr’i Kristalina Georgieva io. Mba ho fanamafisana ny fitehirizana io vola io no nametrahana azy eo am-pelatànan’ny Banky foibe ka ahafahana miantoka tanteraka ny fandriam-pahalemany. »Mahatoky tanteraka aho fa tena ho tafavoaka amin’ity krizy ara-pahasalamana ity ny Malagasy rehetra noho io fanampiana azon’ny Filoha Andry Rajoelina io » hoy i Marta, mpandalina toe-karena. « Tsy hanantena voka-tsoa amin’io vola fanampiana avy amin’ny FMI io akory izahay satria efa ho ahodina indray izao io de tsy hita akory hoe nanaovana inona ? » hoy kosa i Gervais. Nanamafy hatrany kosa anefa ny avy ao amin’ny filan-kevitry ny Minisitra fa « ity vola ity dia natao indrindra ho an’ireo tetikasa fanarenana toe-karena, hiatrehana ny krizy ara-pahasalamana mifandraika amin’ny covid-19″. »Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy » hoy ny fitenintsika Malagasy. Arak’izany indrindra, tsy tokony ho malain-kapiana isika Malagasy raha misy manolotra fanampiana kanefa hampiasa izany raha ny tokony ho izy hatrany mba ho fampandrosoana ny firenena. Raha izay ary, tsy tokony hiahiahy intsony ve ny Malagasy momba io tolotra fanampiana avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena io ? Sa mety hisy hevitra ambadika izao vola an-tapitrisa natolon’izy ireo izao ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire