Fifamoivoizana an-drenivohitra : Velon-taraina ny mpampiasa ny lalana Anosy-Mahamasina
Ny alakamisy maraina teo dia fitohanana lavareny no hita saika ho manerana an’Antananarivo, indrindra fa iny lalana miazo an’anosy sy mahamasina iny. Ny fisian’ny lanonana fankalazana ny faha 60 taona izay nataon’ny polisim-pirenena teo anosy no nahatonga ny fanapahana ny ampahan-dalana miazo an’Anosy sy Mahamasina. Maro tamin’ny olona no nitaraina sy tezitra noho izany ka tao ny niantso tamin’ny onjam-peo naneho hevitra, tao koa ny nimenomenona rehefa mandalo polisy ny fiara andehanan’izy ireo. Tao koa ny mpamily izay sahirana manaraka ny fanovan-dalana izay atoron’ny polisy misahana ny fifamoivoizana azy ireo.Raha tsiahivina dia tamin’ny fitokanana ny kianjan’ny Barea sy ny lalao voalohany natao tao amin’izany kianja izany no efa nisy fanapahana iny lalana iny ary efa mampitarainany mpampiasa lalana foana izany.Nilaza i Vero izay mpandeha anisany nitaraina vokatr’ity fitohanana ity hoe « tsy nampoiziko ny fahatapahan’ny lalana androany, misy fiantraikany amin’ny asako izao fahatarako izao, ilay izy efa eto vao hita dia tsy misy azo atao intsony ». Hoy i Rivo, mpamily taksibe zotra 015 « ny fampilazana mialoha anay mpitatitra dia tena tsy nisy mihitsy, izao izahay zara raha hahavita fiodinana firy androany ». Hoy i Vololona, mpivarotra eo Mahamasina « vao tonga teto izahay, saika hivarotra dia feno mpitandro filaminana teo amin’ny toerana fivarotanay, dia tsy maintsy nitady toerana hafa satria tsy maitsy mitady vola hivelomana ».Ny fankalazana lehibe ataon’ny sampan’asa toy itony dia tokony tsy hanelingelenana ny andavan’andron’ny vahoaka. Tokony atao amina toerana malalaka izay tsy manakana firy ny fiainan’ny olona satria misy fiantraikany hatrany amin’ny sakafon’ny ankohonana sasany ny zavatra toy izany.
Aurélien Tsitarihina
