Fanabeazana: Lany ny fanovana mahakasika ny rafi-panabeazana misy eto Madagasikara.
Dépêche 14 décembre, 16h, Lany teo anivon’ny Antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mahakasika ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Tsy nasiam-panovana na fanitsiana izany volavolan-dalàna natolotra izany. Voarafitra ao anatin’izany ny fanalavana ny fanabeazana ambaratonga fototra izay haharitra hatramin’ny taona fahaenina ary hihena ho telo taona kosa ny fanabeazana ao amin’ny ambaratonga faharoa. Na dia lany aza anefa izany dia mbola tsy ho amin’ity taom-pianarana ity no hampiharana izany fa mbola maro ireo dingana mila arahina mialohan’ny fampiharana ity volavolan-dalàna ity.
