ActualitésTatitra

Seychelles : Firenena manana ny pasipaoro matanjaka indrindra aty Afrika

Raha ny filaharana navoakan’ny Henley & Partners ao amin’ny Henley Passport Index 2022 dia ny nosy Seychelles no firenena manana ny pasipaoro matanjaka indrindra aty Afrika. Antony, firenena 152 isa no afaka nitsihan’ny mponin’i Seychelles tsy misy Visa.

Laharana faha-28 kosa no misy an’i Seychelles ao amin’ny filaharana iraisam-pirenena raha laharana faha-29 izy tamin’ny taona 2021. Manaraka an’i Seychelles kosa ny nosy Maurice izay afaka mitsidika firenena 146 isa tsy mila Visa, eo amin’ny laharana faha-31 izy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Afrique du Sud kosa no laharana faha-3 aty amin’ny kaontinanta, izay afaka mitsidika firenena 104 isa, laharana faha-51 izy eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena.

Laisser un commentaire