ActualitésSocialTsidika

Alasora: Vita soa amantsara ny fitsidihana ireo fokontany miisa 20

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, izay notarihin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Alasora. Voatety sy voatsidika avokoa ireo fokontany 20 isa tao anatin’ny kaominina nandritra izany ary nahazo ny anjarany avokoa ireo beantitra tsy afaka naka ny anjarany tamin’ny fizarana ny solombodiakoho ny 21 jona 2023.

“Ny fitsidihana an’i RAKOTONIRINA Jules, Ben’ny tanan’Alasora teo aloha, no namaranana ny Ben’ny tanana mitety vohitra. Voatety avokoa ny fokontany 20 tao anatin’ny roa herinandro. Hita taratra nandritry ny fitsidihana fa mbola mitandro ny soa toavina Malagasy ny ankamaroantsika eto Alasora, mandray andraikitra sy mandray an-tanana ny fikarakarana ireo Ray aman-drenintsika, indrindra ireo tsy salama” hoy  ny avy amin’ny kaominina Alasora.

“Izany hetsika izany no tontosa dia noho ny fifanomezan-tanana tamin’ireo sefo fokontany sy ny lefiny ihany koa, izay hisaorana azy ireo. Misy tamin’ireo zokiolona no tsy tratra an-trano nandritra ny fitsidihana ka hisy ny fandaminana manokana ny fanaterana ny anjaran’izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.

Taratry ny soatovina Malagasy izay mifono fahendrena ny fanajana ny zokiolona sy ny fikarakarana azy ireny. Eny ifotony tokoa dia mbola mitahiry sy manome lanja izany, tahaka izao hetsika ataon’ny kaominina izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire