Sosialy : Aparitaka hatrany ny Vary Tsinjo sy ny Tsena Mora
Miezaka hatrany manaparitaka Vary Tsinjo amin’ny vidiny ara-drariny eny amin’ireo tsena manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fanjifana. Mitohy hatrany ihany koa ny Tsena Mora.
« Azo ambara hatreto fa tsy misy antony tokony hivarotana ireo vary nafarana mihoatra ny 600 Ar ny kapoaka. Eny fa na misy aza ny fiakaran’ny saram-pitanterana an-dranomasina. Izany dia hisorahana hatrany ireo endrika fanararaotana misy eny amin’ny fiarahamonina eny » hoy ny tompon’andraikitra. « Tena manampy anay sahirana ihany aloha ilay tsena mora. Mbola mora noho ny eny an-tsena mantsy izy. Zara aza misy an’izay sitrany ahay hividianana zavatra hafa ny vola. Ny vary mantsy tsy maintsy vidiana ihany satria io no foto-tsakafo » hoy i Hélène, mponina ao Mahamasina.
Azo arahina ao amin’ny Pejy Facebook « Tsena Mora ofisialy » ireo lamina momba izany. Ireo rantsamangaikan’ny MICC dia efa manara-maso akaiky ny fanajàna izany rehetra izany.
Nicole Rafalimananjara
