Migration : Manodidina ny 55 tapitrisa ny olona nifindra monina tamin’ny taona 2020
Ny loza voajanahary, ny fifandonana na ny fipoahana herisetra no antony hifindrana monina. Ny taona 2020, olona iray isan-tsegondra no voatery miverina amin’ny fireneny. Efa nahatratra 55 tapitrisa ireo olona nifindra monina ireo hoy ny Internal Displacement Monitoring Centre (IDMC) sy ny Norwegian Refugee Council (NRC) na teo aza ny famerana ny fivezivezena noho ny valan’aretina Covid-19. Tahan’isa tsy mahazatra loatra ity, hoy i Alexandra Bilak, talen’ny IDMC.
