ActualitésTsidika

Andapa : Misy aretina hafahafa

Nalaza ny ambalavelona teo aloha teo tany Andapa, izany hoe karazana mosavy atao amin’olona izy io ka  mikiakiaka, mitomany, malemy, miolakolana, manao krizy, mirediredy, mahita zavatra, maheno zavatra ary miriotra toy ny matahotra, mifanintona na mihetsika androbe izay voa. Tsy dia fahita manerana ny faritra rehetra ny ambalavelona kanefa tena mampiferinaina ny olona any Andapa tokoa. Efa nisy fantatra ireo tao ambadika tamin’ilay ambalavelona ka notakian’ny fokonolona ny vata hazo misy ny ody ratsiny izay hanaparitahany ny ambalavelona. Ankehitriny indray anefa, misy aretina hafahafa indray any Andapa, olona 9 no voamarina hatreto fa tratran’ilay aretina hafahafa. Hafahafa ahoana tokoa moa ? Mandravarava sy manimba entan’olona izay voany. Ary tsikaritra mihitsy aza fa avy amina tanàna iray ireo olona 9 indray voa ireto. Tsy fantatra mazava hoe inona ity aretina ity fa ny hany fantatra dia ny hoe mbola tsy fahita hatramin’izay fotsiny izao trangan’aretina izao. Tena aretina tokoa ve ary aretina hafakely sa aretina noforonina mba hamotehana ny fananan’ny hafa ? Ny mpitsabo no hamaly izany ka miandry ny valin’izay fikarohana ho atao ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire