Nolaniana tao Tsimbazaza ny findramam-bola 5 000 000 USD amin’ny Badea
Mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina isika eto Madagasikara. Eo anefa ny fahasahiranana ara-bola misy eto amin’ny firenena izay tsy maintsy itadiavam-bahaolana. Nifanarana ny 22 oktobra lasa teo ny fifanarahana farany teo amin’ny Repoblika Malagasy sy ny Banky Arabo ho amin’ny fampandrosoana aty Afrika na ny BADEA. Nolanian’ny solombavambahoaka androany alakamisy 20 may ny volavolan-dalàna laharana faha-001-2021 tamin’ny 3 febroary 2021 lasa teo, mirakitra indrindra ny fanomezan-dalana ny fanamafisana ny fifanarahana findramam-bola vaovao mifandraika amin’ny hetsika vonjy maika hiatrehana ny Covid-19. Vola mitentina 5 000 000 USD na 19 641 150 000 Ariary no hindramina amin’izany. Maharitra 21 taona ny fandoavana ny vola ary ny enin-taona voalohany no tsy maintsy handoavana ny renivola. Natao izany mba hiatrehana ny valan’aretina sy hampihenana izay mety ho voka-dratsy haterak’izany amin’ny alalan’ny fanomezana ambulance, EPI ho an’ny CSBII ary ny fanafody sy fitaovana fitiliana ny covid-19. Raha izay no vahaolana hita amin’ny sehatry ny fahasalamana, manao ahoana kosa ny ara-tsosialy izay tena marary ankehitriny ?
Nicole Rafalimananjara
