Misavovona ny fako eto an-drenivohitra
20 May, 14h00. Toerana maro eto Andrenivohitra no ahitana fako misavovona. Ny fahataran’ny fangalana ny fako eny amin’ny toeram-panariana fako no antony iray lehibe. Olana kely tao Andranalitra no nahatonga io fahatarana io raha ny nambaran’I Jaona Andrianaivo, tale jeneraly ny SAMVA.
