Mihena hatrany ny tranga covid-19 vaovao eto Madagasikara
20 May, 12h00.Mitohy hatrany ny fihenana tranga vaovao amin’ny coronavirus eto Madagasikara. Erin’andro maromaro izay no nahatratra ny taha ambany indrindra I Madagasikara. 59 no isa voamarina mitondra ny tsimok’aretina ny 18 mey. Tsy mihoatra ny 200 intsony ny salan’isa.
