Toamasina : Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora
01 Febroary, 09h00. Sokafana amin’ny fomba ofisialy androany etsy amin’ny firaisana Tanambao V, ny TSENA MORA izay entina analefahana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina ao Toamasina. Amidy 1000 Ar ny kilaon’ny vary mora ao amin’izany tsena izany ary 5000 Ar kosa no hanjifana ny litatrin’ny menaka. Efa tonga nijery ny fandaminana mifandraika amin’izany ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana sy ny avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny tompon’andraikitra misahana ny TSENA MORA ao Toamasina.
