Fiomanana amin’ny fahavaratra : Nodiovina ny lakan-drano Marais Masay
Dépêche 30 novembre, 14h20, Efa tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika ankehitriny. Mba hiomanana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy hiarovana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ny toerana iva eto Andrenivohitra dia nasiam-panamboarana ny lakan-drano eny amin’ny Marais Masay. Tsy maintsy natao izao fanadiovana izao noho ity toerana ity hivarin’ny rano maloto avy amin’ny faritra maro toa an’ny Besarety, Andravoahangy, Ambatobe sy ny maro hafa ka mety ho feno na tsentsina izay mety hahatonga ny fiakaran’ny rano amin’ny vanim-potoanan’ny orana be. Efa mandroso ny asa izay tokony ho vita anaty fotoana fohy amin’ny lakan-drano mirefy 1,5km.
