ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny ministeran’ny rano sy ny fidiovana

Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Talata Volonondry sy ny ministeran’ny rano sy ny fidiovana. Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, nisy ny fametrahana milina ho fitrandrahana rano sy fampidirana jiro tamin’ny fokontany roa, tao an-toerana.

« Fampandrosoana tena sarobidy na ny hazavana na ny rano amin’ny faritra iray. Izany indrindra no nanaovana ezaka tamin’ny fametrahana ilay milina fitrandrahana rano izay niarahana tamin’ireo mpiasa teo anivon’ny orinasa jirama, tao amin’ny fokontany ambany andrefana sy fampidirana jiro tao amin’ny fokontany Tsaramiafara » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Efa ela no niandrasana izao asa fanatsarana sy fanamboarana izao ireo mponina ety an-toerana, izay efa ela no niaina tanaty fahasahiranana manoloana ny tsy fahampian’ny rano sy ny haizina. Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny famahana ny olana » hoy i Céléstin, solotenan’ny mponina.

Anisan’ny tsy afa-misaraka amin’ny mponina ny hazavana sy ny rano. Ireo no aina mamelona ny isam-batan’olona ary antoky ny filaminana. Ilaina fantsarana sy fanaraha-maso hatrany izany satria ny mahatomombana izao lafiny ireo no mampisy fandrosoana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire